Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-8

1 Tamin'izany, novorin'i Salomona tao aminy, tany Jerosalema, avokoa ny loholon'Israely, sy ny lehibe rehetra isam-pokony, ary ny filoham-pianakavian'ny zanak'Israely, mba hamindra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo avy amin'ny tanĂ nan'i Davida, izany hoe any Siona.

2 Ka nivory tao amin'i Salomona mpanjaka avokoa ny lehilahy rehetra amin'Israely, tamin'ny fety, amin'ny volana Etanima, volana fahafito. 3 Nony tonga ny loholona rehetra amin'Israely, dia nentin'ny mpisorona ny fiara.

4 Nentiny ny fiaran'ny Tompo mbamin'ny trano lay fihaonana sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin'ny trano lay, ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo. 5 Ary Salomona mpanjaka sy ny fiangonan'Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia niaraka taminy teo anoloan'ny fiara. Ondry sy omby tsy hita isa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany no novonoiny ho sorona. 6 Dia nentin'ny mpisorona teo amin'ny fitoerany ny fiaran'ny faneken'ny Tompo, dia tao amin'ny fitoerana masin'ny trano, ao amin'ny fitoerana masina indrindra, teo ambonin'ny elatry ny kerobima. 7 Fa namelatra ny elany tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony teo amboniny. 9 Tao anatin'ny fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak'i Moizy tao, tany an-tendrombohitra Horeba, fony Iaveh nanao fanekena tamin'ny zanak'Israely, tamin'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Ejipta. 10 Nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona dia nameno ny tranon'ny Tompo ny rahona, 11 ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona, noho ny amin'ny rahona, fa nameno ny tranon'ny Tompo ny voninahitry ny Tompo. 12 Tamin'izay, dia hoy Salomona: Sitrak'Iaveh ny honina ao anatin'ny aizina.

13 Nanao trano aho ho fonenanao, fitoerana hipetrahanao mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0849